Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 9 octobre 2026
Antananarivo | 18h30
 

Répondre à un commentaire

9 octobre à 09:46 | Vohitra (#7654)

Mbola tsy sasatra ihany mitondra ny torohevitra ho an’ny fitondrana miaramila mijoro ankehitriny manoloana ny TSY fahatomombanana sy ny TSY fanajariana eo amin’ny fitantanana ny Firenena Malagasy ankehitriny.

Ny fitondrana tetezamita fisoloana toerana dia natao hametraka ny rafitra ho an’ny Repobilika mba ho mari-tombina sy mafy fototra ary hisorohana ny fiverimberenan’ny krizy ara-politika sy krizy ara-piarahamonina matetika eto amin’ny Firenena.

Roa lehibe miavaka no tena fototry ho an’ireo krizy notanisaina ireo dia :

1- ny kolikoly, ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka, ny fangejana ny fananam-bahoaka iombonana.

2- ny hosoka sy hala-bato ary fanodinkodinana ny safidimbahoaka.

Ireo tsy maty manota no tompon’antoka amin’ireo fototry ny krizy ireo, ary hatramin’ny anio, dia mbola tsy misy mihintsy ny fanenjehana ara-pitsarana ireo tsy maty manota ireo.

Hisorohana sy fanafoanana ireo fototra ratsy roa ireo no tena antom-pisiana ho an’izao tetezamita fisoloana toerana ankehitriny izao.

TSY mitovy ary TSY sahala amin’ny fitondrana politika voafidim-bahoaka ny fitondrana fanovozana mijoro ankehitriny akory.

Ny fitondrana politika voafidy ara-dalana tamin’ny fifidianana madio ekem-bahoaka ary manaraka ny lalampanorenana MANANKERY no manatanteraka vina politika sy tolotra politika sy vinam-piarahamonina mifanitsy amin’izay nakany fankatoavana tamin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana. TSY fitondrana voafidy toy izany akory ity tetezamita ity.

Noho izany, ny fanorenana ifotony ireo rafitra repobilikanina fisorohana ny fiverimberenan’ny krizy no antom-pisiana eo amin’ny tetezamita.

Ny fanondrotana karama sy fanomezana tambinkarama izany dia TSY andraikitra sy TSY adidy iantsorohan’ny fitondrana tetezamita velively mihintsy akory. Ary aleo atao mazava ny resaka : ny 33 tapitrisa amin’ny vahoaka Malagasy dia TSY mpiasampanjakana avokoa akory, ary tsy mpisitraka tombontsoa amin’ny fitsinjovana ny tombontsoa ho an’ny mpiasampanjakana.

Tsy mety ary hadisoana izao ataon’ny fitondrana miaramila tsy voafidy izao. Miendrka fampielezankevitra ataon’ny mpitondra tetezamita izao fanapahankevitra noraisina izao, ary mazava fa mikendry ny filatsahana ho fidiana ny mpitondra tetezamita.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}