Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 29 octobre 2025
Antananarivo | 21h24
 

Répondre à un commentaire

29 octobre à 10:15 | Vohitra (#7654)

Isaorana Ikala Paingotra tamin’ny fanolorana ity lahatsoratra feno sy sarotra hokianina ity.

Mba hiezaka ihany koa ny tenako hitondra izay kely anjara azo zakaina sy mendrika ny mpandinika eto amin’ity gazety anabaka ity.

Fanamarihina no entina eto ampiandohana :
Ny hoe « fanavaozana » dia milaza amin’ny teny vahiny ny hoe « renouveau » na koa « renouvellement ».
Fa ny « fanarenana ifotony » no manondro ny antsoina hoe « refondation de la République ».
Samy hafa tokoa ny hevitra sy tanjona amin’ny « fanavaozana » sy ny hoe « fanarenana ifotony ».

Ny fanarenana ifotony raha ny tranga misy eto Madagasikara ankehitriny dia miandrandra tanjona telo lehibe na objectifs stratégiques :
* Mba tsy hisy intsony ary ho voageja tanteraka ireo tsy maty manota mpanimba ny Firenena sy namotika ny toekarena sy mpamono olona.
* Mba tsy hivangongo intsony eo ampelantanan’ny olontokana sy Faritra iray ny fahefana sy ny fanapahankevitra eto amin’ny Firenena.
* Mba hisian’ny fifidianana madio, azo antoka sy azo itokisana, ary anaty mangarahara eto amin’ny Firenena.

Ireo no fotokevidehibe telo amin’ny fanorenana ifotony.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}