Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Torohevitra no arosoko aminao mba hisorohana dieny izao ny loza sy atambo ahiana hitranga eto amin’ny Firenena raha tsy mitandrina ianao...
1- volam-bahoaka no entina hanatanterahana ny fifidianana rehetra sy ny fikaonan-dohampirenena atao fa aza mangataka vola vahiny fa hitera-doza eo indray izany.
2- avelao hanana ny fiandrianampirenena madio sy tanteraka ny fikaonan-dohampirenena atao fa aza manapaka alohan’ny tsoankevitra hivoaka avy any amin’ny vahoaka ifotony. Efa fantatrao fa ny faniriana avy any amin’ny vahoaka dia hoe "miainga avy any ifotony ny fanombohana ny fifidianana, ary miakatra miandalana mankany amin’ny tampony". Ny fifidianana ny Filoha no tokony ho farany indrindra. Tsy misy fiovana io fa hiteraka korontana indray raha ny fifidianana Filoha no atao voalohany aorian’ny fifidianana lalampanorenana.
3- raha mbola ny rafitra efa mpamatsy krizy politika hatrizay teto amin’ny Firenena no mbola avela hijoro sy hikarakara ary handamina ny fifidianana rehetra ho avy, dia TSY MAINTSY mbola korontana be tsy voafehy no hitranga eto amin’ny Firenena.
4- fametrahana rafitra vaovao handamina ny Firenena no ilaina mba hisorohana ny korontana, ary fametrahana ny fototra iombonana mampiray sy mampijoro ny Firenena amin’ny toetsaina sy toe-panahy tena Malagasy, TSY tetiandro ao anaty amehana sy TSY fifidianana nateraky ny tsindry iraisampirenena vahiny no hitondra vahaolana ho an’ny Firenena Malagasy.
5- tsy fanovana olona fotsiny, ary tsy fakana dika sy tahaka izay misy any dilambato fotsiny, no heverina fa ho vahaolana eto amin’ny Firenena. Efa lalimpaka ny krizy misy eto, ary efa niteraka lonilony sy disadisa lalina. Mila fandaminana maharitra sy eken’ny vahoaka.
Tandremo fa tandidomin-doza ny Firenena Malagasy ankehitriny. Aleo misoroka dieny mbola misy ny fotoana.