Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Herintaona lasa tokoa izay...
Lasa tsaroana foana sy atao jeritamberina hatrany satria : nisy aina nafoy marobe, ary nisy ratra sy herisetra nitondra takaitra sy fery marary.
Herintaona ato afara, inona no tombanezaka azo lazaina sy fandrefesana ny fiovana azo tombanana ? Nitondra fahafahampo sy fahombiazana ve ?
Ireto no fiovana hita sy tsapa ary iainana ankehitriny :
* niova ny fahefam-pitondrana manatanteraka ny fibaikona sy fampiodinana ny raharaham-bahoaka
* misy ny ezaka ho fanamboarana ny làlana hifamoivoizana amin’ny lalampirenena
* misy ny ezaka natao ho fanatsarana ny tombontsoa ho an’ny mpiasampanjakana.
Ary inona no TSY MISY fiovana mihintsy ?
* ny tsy fanajana sy tsy fikoloana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka
* ny tsy fanaovana ho fantatry ny vahoaka ny fanambarana fananana
* ny fisian’ny tsy filaminambahoaka sy ny fisian’ny herisetra ao anaty fiarahamonina
* ny fanaovana famoriambahoaka ankianja natao ho fomba fikoloana habadoana sy filalaovana ny fihetsehampo.
* ny fandaniambola tsy laharam-pahamehana sy lasa rendrarendra tsy mitondra vokatra ilaina ao anaty vanimpotoana fanarenana ny Firenena.
* mitohy mihanaka ny fahantrana eo amin’ny Malagasy marobe
Inona no ambana sy fanahiana ary tebiteby misy ?
* feno tsy maty manota indray ao anaty fahefam-pitondrana mijoro
* tsy hita taratra feno amin’ny paikady entina amin’ny fikaonan-dohampirenena ny finiavana hametraka ny fanorenana ifotony tena maneho ny hetahetam-bahoaka
* tsy ny famahana ny olana fototra lalimpaka nitondra fahantrana miavosa sy niteraka krizy politika sy krizy ara-piarahamonina no atao laharam-pahamehana.
* mitavozavoza sy miadana loatra ny fandehanan’ny raharaham-pitsarana momba ireo nahavanondoza teto amin’ny Firenena.
Samia ary mandinika sy mametraka fanontaniana mahitsy sy tsotra :
Efa misy fahombiazana sy fandrosoana ve ny raharaham-bahoaka ankehitriny ?