Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Ny fanabeazana dia rantovina amin’ny fandrafetana ny saina amam-pahalalana mba hiofo ho lasa olombelona manana adidy sy andraikitra, na ho an’ny tenany na koa ho an’ny hafa...
Fa ny fitaizana no mandrafitra toe-tsaina sy toe-panahy ho olombanona ho eninkaja sy hikolo fiarahamonina mirindra.
Mifameno tanteraka ny fanabeazana sy ny fitaizana ary rehefa tontosa izany fifamenoana izany, dia io fa misy ny olompirenena vanona miaro ny tombontsoa iombonana sy sarotiny amin’ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny.
Ny olona vory fahalalana sy heniky ny hakingantsaina mety hiofo ho tsy valahara sy ho lasa tsy maty manota...
Fa ny olona nisitraka fitaizana ho olombanona, ary nandray sy nankato kolontsaina miompana amin’ny fivoizana ny fahamarinana sy ny fanomezankasina ny "aina" sy ny "fahavelomana", dia tsy hiofo mandrakizay ho tontakely fahavalon’ny fiarahamonina mihintsy.
Raha eo anoloan’ny safidy tsy azo nioharana, aleo "olombanona marefo ara-pahalalana" toy izay "avarapianarana tsy valahara"...
Fa tao anatin’ny 66 taona nisitrahana ny fahaleovantena ara-politika izay, nahoana no nihanaka sy nihitatra ary sesehena ny tsy valahara tsy vanona nisahana andraikitra teto amin’ny Firenena ?
Fa nahoana no lasa mitsiriritra sy ny fisakaizana amin’ny tsy maty manota no lasa tanjona sy fitondrantena ho an’ny tanora maro monina sy mifamorivory amin’ny tanandehibe ?
Tapaka rohy amin’ny fitaizana nentindrazana, very faka amin’ny tanindrazana, revo amin’ny fakana dika sy tahaka ny fahafinaretana any andafin’ny riaka, vonton’ny toe-tsaina sy toe-panahy tia mitsiriritra, tsy voakolo hanabe voho ny fikatsahana soa iombonana... Izany rehetra izany no tarazo ratsy sy loza ilomanosan’ ny tanora maro ankehitriny...
Fiarahamonina sy rafitra mpamokatra tsy maty manota no misy ankehitriny indrindra eo amin’ny tontolo tanandehibe, izay tontolo mamaritra hatrany ny raharaha politika eto Madagasikara.