Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 25 juillet 2026
Antananarivo | 21h54
 

Répondre à un commentaire

25 juillet à 11:05 | Vohitra (#7654)

« Mpandihy lava volon-kelika ka izay atao rehetra hananan-tsiny avokoa »...

Io kilalaonteny sy hainteny io no azo hamintinana ity fanapahankevitra natao didimpanjakana ity !

Raha fitafy sy endrika ivelany no asiana tsindrimpeo hoentina hisarihina ny fiverenana andoharano, ataonao ahoana izany ireo tomponandraikitra ambony ara-panjakana mandoko « volo menabe » eo ambany masonao hitanao ireo ?

Tsy ny finiavana no mipetraka ho « olana », fa ny fihatsarambelatsihy igagana tsy manampetra voizina !

Lasa mamerivery fanahy milalao fihetsehampo, mamatsy angoantenda sy mandrendrika anaty fihetsika mandrorona tsy hialohavan’ny « atao sy ny hita »...

Fiangaliana filatroana imasom-bahoaka nisaloran’ny mpian’ady anglisy sy ny mpanjakavavy Victoria ary ireo fianakavian’ny andriamanjaka eoropeanina tamin’ny taonjato faha 18 sy faha 19 ve no hosolokiana ho fomba mandramby kolontsaina ?

Raha fitiavana ny Tanindrazana no asianteny, fa angaha adino ny vanimpotoana nanehoan’ireo mpisava làlana vovonana niadian’ny fototra nantsoina hoe « Menalamba » ? Na fitafy na fihetsika na fihetsehampo na tanjona dia nanoritra ny « atao »...

Ataovy mifanindran-dalana izay « voizina » sy « atao » dia tsy hiseho miharihary ho toy ny « mpandihy lava volon-kelika »...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.