Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 juillet 2026
Antananarivo | 20h51
 

Répondre à un commentaire

8 juillet à 11:44 | Vohitra (#7654)

Misy ny ambaratonga sy ny famaritana ny fiheverana, araky ny kolontsaina sy ny fiarahamonina ary indrindra araky ny "fitaizana nolovaina"...

Samy hafa tokoa ny :

* olonkendry
* olomanga
* olombanona

Ny mifanohitra sy mifanipaka amin’ireo, dia ao anaty fiarahamonina ao misy ny :

* voan’ny rarintsaina
* sembana ara-tsaina
* mody adala na misoloky ho hendry
* tsy valahara
* tsy vanona

Toetsaina sy toe-panahy izay natsidika izay, fa mbola hafa ny fihetsika sy fisehoana ao anaty fiarahamonina, misy ao ny :

* tony fihetsika sy mendrika
* mivatravatra sy ratsy taiza ary be sitrapo
* lian’ady sy maloto fiteny
* tontakely tia setrasetra
* mikatsaka lalandava filana ho afapo

Ny fanontaniana mipetraka dia ity :

Eo anoloan’ireo zavamisy natsidika ireo, inona izany no andraikitra mazava sy lazaina fa "politikan’ny kolontsaina" hoentin’ity minisiteran’ny kolontsaina ity e ?

Kolontsaina inona sy ahoana, ary miainga amin’ny fitaizana toy ny ahoana sy mifototra amin’ny inona no hoentin’ity minisitera ity ary e ?

Ohatra akaiky : kolontsaina inona no nentin’i Rakotondrazafy Lalatiana fony izy minisitra ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}