Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Fanorenana ifotony ny Repobilika...
Inona moa no tena andrasana amin’izany ka mifanitsy amin’ny rafi-pisainana tena Malagasy ?
Ny fitantanana amim-pahamarinana sy anaty mangarahara ny volam-bahoaka sy ny fananam-bahoaka...
Ny fizotra ara-dalana ny raharaham-bahoaka ka hanome fahafahampo ny be sy ny maro...
Ny fifidianana madio sy mangarahara manaja ny lalampifidianana nifanekena.
Ny fahafahana maneho hevitra ankahalalahana ka manome zo sy Hasina ny teny ierana sy ny fanomezan-kaja ny teny hifanomezana...
Ny famongorana sy famaizana ireo rehetra tsy maty manota manimba Firenena sy maningotra ny aina...
Fanovana rafitra sy fandrafetana lalana mifanitsy amin’izany tanjona marimpototra izany no takiana eto amin’ny Firenena ankehitriny, fehezan-dalana arovan’ny lalampanorenana vaovao natao hiaro sy hampanjaka ny fiandrianampirenena madio !
Ho sarotra ny hahatontosa izany tanjona izany raha toa ka hankinina sy hapetraka amin’ny olona efa fantatra fa mpiray petsapetsa sy mpiray donakafo tamin’ny mpitondra teo aloha efa naloan’ny vahoaka ny fanatanterahana azy.
Eto isika samy hahita ny tohiny, anio Talata 21 oktobra 2025 aho no milaza izany. Hiafara amin’ny fanatanterahana fifidianana anaty tandrametaka sy tsy zarizary indray ity tetezamita ity !
Manomboka eto isika dia samia mitaky sy mangataka ny :
* hanaovan’ny Filohampanjakana Colonel Randrianirina Michael sy ny praiminisitra notendreny fanambarana fananana anaty mangarahara ho fantatry ny vahoaka (déclaration de patrimoine transparente et accessible à la connaissance du public).
* mba hiroso amin’ny fanaovana fanambarana fananana izany koa ny mpikambana amin’ny andrimpanjakana mijoro rehetra sy ny manampahefana ambony rehetra
* ny hamoahana ho fanta-bahoaka tsy misy hatak’andro ny fanambarana fananana nataon’ny mpitondra teo aloha rehetra izay voatahiry eo anivon’ny BIANCO.
Ho sahy hanao izany dingana izany ve ny mpitondra ankehitriny ?
Samia mitaky izany isika rehetra tia ny Tanindrazana iombonana !