Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 22 août 2025
Antananarivo | 14h11
 

Répondre à un commentaire

22 août à 13:08 | Vohitra (#7654)

Tsy safidy ny fanaovana didy jadona fa voatery noho ny zavamisy sy ny tsy fahombiazana misy.

Voatery miroso amin’ny didy jadona tsy azo refesina mandidy satria :

* Na dia efa tsy ankiato sy sesilany ny lainga sy famahanan-dalitra atao, dia tsy voasarona sy tsy azo afenina intsony ny tsy fahaizana mitantana sy ny fahantrana mihanaka eo amin’ny vahoaka.

* Lasa mpanankarena tampoka daholo ireo rehetra manana fahefana sy manapaka, ary tsy misy fanazavana azo entina intsony mikasika ny loharano sy fototry ny harena miavosa eo aminy.

* Efa maneho hevitra daholo ny marobe anaty fiarahamonina mikasika ny fahantrana sy ny gaboraraka ary ny fibakoavana hanaovana salobokomana ny harempirenena, noho izany, tsy misy afatsy ny famoretana sy ny famotehana ny fahafahana sisa no lalantokana azony izorana.

* Mora ny nanongana fanjakana, mora ny nangalarana vato, mora ny misambotra olona, mora ny maka harenampirenena, mora ny manimba kolontsaina, lasa mitondra fahasahiranana ho azy ny fahamarinana sy ny mangarahara, sy ny miaina ny demokrasia anaty fahafahana, koa mba tsy hisian’ny fahasahiranana ho azy, dia aleony ny didy jadona no ampanjakaina sy atao miorimpaka.

* Tsy fahaizana, tsy fahalalana, tsy ampy fitaizana ara-piarahamonina, sakaizandainga, fanahy efa vonton’ny soloky, tia eboebo, tsy fahafantarana ny vahoaka sy ny fombany ary ny Firenena...lesoka sy fahabangana goavana tsy roa amantany izany, tsy maintsy didy jadona sisa no hizorany satria tsy afaka ny hanao fihaikenkeloka na repentance mihintsy izy.

* Farany, tena faniriana miorimpaka tanteraka ao ampony ny ho « mpanjaka » satria hitany ny zavamisy momba ireo mpanjakabe arabo mpanefoefo sy mpanankarena, ary izy dia olona voan’ny tazonkarena sy tena tia mitsiriritra ny mpanankarena, ary fatany tsara fa didy jadona daholo no ataon’ireo mpanjakabe arabo ireo, dia izy io ataony ankehitriny io.

Izy moa no Iza ?

Rainilaingarivony, « ny lainga no valamparihiko »...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}