Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 22 juillet 2025
Antananarivo | 22h54
 

Répondre à un commentaire

22 juillet à 14:51 | gasy tsotrizao (#3859)

Fomba fanaon’ny foza io mamindra afo io (tsy mahay mamono afo) ka nohesorina lay olona rehefa tsy nandeha ny fanampenam-bava satria marefo loatra ny lainga ka tsy afaka nihodinkodina sy nanodikodina resaka akory lay ramatoa.

Ny tena tsara ho fantatra sy tsarovana momba iny tranga iny dia tsy misy mpiasampanjakana (indrindra fa Tale izany) afaka miserasera @ ny mpanao gazety raha tsy nahazo halalana avy @ ny lehibe na ireto mihitsy no maniraka azy. Rehefa manao izany izy dia manazava izay momba ny asany raha mifanandrify @ zay ny fanontaniana fa tsy afaka manome valinteny hafa. Ny an’ity ramatoa ity moa dia ilay asany mihisty no nolazainy fa tsy te-ahalala izy ka tsy manao izany satria ny asan’ny DVSSER dia manangona sy manadihady ny trangan’aretina rehetra mety hiparitaka ka hiteraka fahavoazana ho an’ny fiarahamonina ka mandefa ny tatitra @ ny ambaratonga ambony handraisany fanapahankevitra.

Diso izy tsy nanao ny asany t@ ty resaka Ambohimalaza ity ary mbola diso koa izy tsy nanadihady momba ireo tranga mitovitovy fiseho (Ambositra, Toamsina, Mahajanga sy ny sisa) dia mbola diso ihany koa tsy nanao izany momba ny tranga tazo tany Ikongo (100 mahery no maty). Be loatra ny fahadisoana nataony ka diso toy izay koa ny nanendry azo teo @ io toerana io ary tokony hametra-pialana na esorina rehefa tsy manao izany.

Fanontaniana mila valiny mazava dia : iza no nilaza taminy fa poizina ilay raha ? ny fanadihadiana nataon’ny DVSSER ve sa baiko ? Ny fanontaniana manaraka dia : Raha toa ka nanao mangina ny asany ny DVSSER dia nahoana no tsy nandray andraikitra ny ambaratonga ambony ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.