Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 9 novembre 2026
Antananarivo | 18h48
 

Répondre à un commentaire

9 novembre à 11:16 | Vohitra (#7654)

Raha mavesatra tsy ho zakan’ny FFKM ny andraikitra nankinina taminy, miangavy azy mba hametraka fialana tsy hiantsoroka intsony ity fikaonan-dohampirenena ity !

Fahatarana sy fihemorana efa mananika ny herintaona, nefa ny tetezamita efa eny antsasa-dalana sisa, 12 volana eo sisa !

Mbola azo hitokisana ve hoe ho tontosa tanteraka ny volana mai 2027 ny dingana rehetra amin’ny fikaonan-doha isan’ambaratonga manomboka hatrany amin’ny fokontany hatrany amin’ny Faritra ary mandalo ny Commune ?

Ny fahavaratra ity efa hiroso tsy ho ela intsony, herinandro vitsy sisa...

Ary ny 81 % amin’ny vahoaka Malagasy dia efa hiompana amin’ny fambolena isantsokajiny (vary vakiambiaty sy voly fototra antanety) ary ny fiatrehana ny maintso ahitra... Dia ho voahilika sy hotsipahana ny marobe amin’ny valalabemandry mandritry ny fikaonan-doha satria revo sy sahirana amin’ny fivelomany...

Ianareo goverinemanta, FFKM, Komity mpitantana... Ianareo rehetra ireo no tomponandraikitra sy tompomarika amin’ny fahatarana sy ny tsy fahatanterahana eo amin’ny fanorenana ifotony ankehitriny. Tsy afaka ny hifanilika andraikitra intsony ianareo.

Rehefa tsy fikaonan-doha miainga avy eny anivon’ny fokontany misy ny Fokonolona no atao dia tsy raharaham-bahoaka sy tsy raharaham-pirenena intsony izay fa efa lasa fitaka sy fisolokiana tsotra izao.

Rehefa tsy zaka sy tsy vita intsony, tsy aleo ve mametraka fialana dieny mbola tsy tezitra ny vahoaka...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}