Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Miarahaba ny vahoaka Malagasy rehetra tsy vaky volo tsy ankanavaka amin’izao tsingerintaona lehibe voalohany ho fankalazana ny fandrodanana sy fandroahana ny fitondrana mpandroba sy fahefan-jiolahy nisy teto Madagasikara tamin’ny vanimpotoana 2019 - 2025 ka namoizana aina sy nandratra olona marobe teto amin’ny Firenena.
Mavesatra ny alahelo, mafy ny ratrampo, tsy adino ny vesatry ny fangejana, tsy azo odiana tsy tsaroana ny fangirifiriana sy ny fahapotehana teo amin’ny ankohonana, ny raharaham-bahoaka, ny volam-bahoaka ary indrindra ny fanabadoana sy fanambaniana ny fiarahamonina Malagasy nandritr’izany vanimpotoana tena mangidy sy nitondrana ny mafy izany.
Ekena tokoa, mbola tsy tontosa tanteraka ny tolom-panafahana vita, mbola betsaka ny lesoka ilaina fanarenana, mbola miavosa ny tandrevaka sy ny tsy fahatomombanana, tsy lavina izany, fa anio kosa, androany 25 septambra 2026, ho fanomezankasina sy ho fanajana ny fanolorantena sy ny ezaka nataon’ny Malagasy iray taona lasa izao, dia tsy hianoka sy tsy hanindry sy hitanisa ny tsy fahalavorariana sy ny tsy fahatomombanana ny tenako, satria Malagasy aho, manaja ny fisian’ny "aina nafoy" sy ny "fery mbola tsy mikatona" teo amin’ny tontolo ara-piarahamonina Malagasy.
Hetraketraka miaro habibiana, vono moka sy fanimbana ny Hasina maha olona, fandrendrehana Firenena, fandrobana anaty tambazotran-jiolahy, lainga sy soloky, fitaka sy rahom-bava, avonavona sy fanahim-boto, vela-pandrika sy fihazana aina, izany rehetra izany no vokatry ny fampiasana ny fahefam-pitondrana nataon’ny rafitra politika notarihin’i Rajoelina, Ntsay Christian, Tokely Justin, ary Ravalomanana Richard teto amin’ny Firenena manoloana ny hetaheta sy hetsika ampilaminana nataon’ny Malagasy ny 25 septambra - 14 oktobra 2025.
Andro fahatsiarovana anio, andro tsy natao ho fireharehana ary tsy natao ho fanandratana tokim-panompoana, tsy natao ho fitsitokotokoana sy fifanakianana na dia mbola misy ny tsy lavorary.
Malagasy isika, manome voninahitra ny maty lasa nandao tsy satry vokatry ny ambopo politika diso toerana sy fanahin’ny habibiana, mamy sady tokana ny aina, omenkaja ny velona mbola hanohy ny tolom-panafahana ho fanavotana ity Firenena ity.
Miroso ny fikaonan-dohampirenena, hanohy ny fametrahana ny fanorenana ifotony isika, mibanjina ny ho avy ho an’ny Firenena Malagasy isika, ary samy tompon-draharaha ankehitriny.
Mirary isika, ary manantena fa...mba tsy ho ady antrano sy tsy fifanenjehana ary tsy fifankahalana no hitranga amin’ny taona faharoa hahatsiarovana ny tolom-panafahana 2025, ary miantso ny tsikalam-pieritreretana eo amin’ny tsirairay indrindra eo amin’ny mpizaka fahefam-pitondrana miaramila mijoro ankehitriny mba...hahay hisintona lesona tamin’ny lasa sy ny tantara...
Ary farany, ho fampatsiahivana, nahoana no tsy mbola voageja sy natolotra ny fitsarana Malagasy ireo mpitandro filaminana namono mivantana sy nanatanteraka ny famonoana olona teny ankianja ny taona 2025.?
Nahoana sy fa maninona no avela hiriaria ireo mpamono olona nanatanteraka ny baiko ?