Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 25 septembre 2026
Antananarivo | 19h46
 

Répondre à un commentaire

25 septembre à 11:38 | Vohitra (#7654)

Fivoriambe ho an’ny Firenena "mikambana" no atrehina, ary ny maha Firenena no fandraisana anjara, tsy misy tsiny mihintsy ary tsy hadisoana velively ny hanehoana hevitra amin’ny fitenim-pirenena izay soloina tena, rariny sy enin-kaja izany ka tsy azo omem-pondro sanatriavina.

Tsy manitsaka ny sata sy fitsipika manankery eo anivon’ny vondrona "Firenena Mikambana" rahateo izany, koa inona moa no olana amin’izany ?

Isany singa iray manandanja mamaritra ny antsoina hoe "Firenena" rahateo ny "teny", sady iombonana no manandratra ny hasimpirenena, koa rariny raha nanao izany ny filohampanjakana tsirairay araka izay safidiny.

Ho ahy dia isaorako ny filohampanjakana izany ezaka ho fanandratana ny Firenena izany.

Mankasitraka indrindra.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.