Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 23 août 2026
Antananarivo | 00h20
 

Répondre à un commentaire

22 août à 16:17 | rakotobe (#7825)

Tsara fantatra, notsongaina FB

" CONCOURS ENAM T@ ANDRON’I FILOHA RATSIRAKA

Mandeha ny resaka fa miparitaka ety amin’ny fb ny salan’isan’ny mpiadina bac ao Toliara 2026. Mampahatsiaro ny salan’isa azon’ireo mpiadina tamin’ny fifaninana hidirana ENAM tamin’ny fitondràna Ratsiraka izany.

Ny Lalampanorenan’ny Repoblika III dia milaza fa azo atao ny quotas isaiky ny Faritany amin’ny fifaninana hidirana ho mpiasampanjakana. Dia nasian’ny fitondràna Ratsiraka quotas provinciaux ny fifaninana hidirana ENAM, izay misy endriny 2.

Endrika 1) ny Concours handraisana Administrateur-Civil 32 izay mitsinjara toy izao : 10 hoan’ny mpiadina tao Antananarivo, 6 hoan’ny mpiadina tao Fianarantsoa, 5 hoan’ny mpiadina taoToamasina, 4 hoan’ny mpiadina tao Toliara, 4 hoan’ny mpiadina tao Mahajanga, 3 province hoan’ny mpiadina tao Diego. Izany hoe arakaraka ny isan’ny mponina anatin’ny Faritany tsirairay ny isan’ny toerana. Afaka misoratra hiadina antsoratra any amin’ny Faritany izay mety aminy ny Mpiadina.

N’y zavamisy anefa, amin’ireo 10 raisina avy amin’ny mpiadina tao Antananarivo dia misy zanaky ny Faritany hafa . Fa indrindra, tsy mitovy ny moyenne maha-admissible. Ohatra, tao Antananarivo izay bé mpiadina dia 16/20 ny moyenne ny admissibles hanao oral. Tsy admissibles izay nahazo 15/20. Tany amin’ny Faritany hafa nisy 10/20 admissible satria 10/20 no moyenne ambony indrindra.

Endrika 2) quota provincial tamin’ny fifaninana handraisana Administrateur des Services du Parlement miisa 12 Concours direct dia : Toerana 2 hoan’ny mpiadina tao Antananarivo, Toerana 2 hoan’ny Fianarantsoa, Toerana 2 hoan’ny mpiadina tao Toliara, toerana 2 hoan’ny mpiadina tao Mahajanga, toerana 2 hoan’ny mpiadina tao Diego, toerana 2 hoan’ny mpiadina tany Toamasina.

Teto indray dia tsy nojerena ny isan’ny mponina isaiky ny Faritany fa ny isan’ny kandidà afahana dia mitovy hoan’ny Faritany rehetra. Ohatra 1000 ny kandidà niadina tao Antananarivo saingy 02 no afahana. 100 ny kandidà niadina tao amin’ny Faritany iray hafa saingy 02 no afahana. Vokatr’izany, tsy mitovy ny chance ny kandidà tsirairay. Tsy mitovy ny note maha-admissible hanao oral hoan’ny Faritany 6."

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}