Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Ialana tsiny, Ialana fondro, miala salohy fito Tompoko o, hiresaka kely mikasika ity hoe « didimpanjakana » (executive order) manandratra ny andro zoma ho fisalorana ny fitafy Malagasy ny tenako raha tsy mahadiso...
Raha amin’ny tany sy Firenena tan-dalana rehetra, ny didimpanjakana dia natao ho tanterahana sy hankatoavina. Ary mihantra eo anivon’ny Firenena. Any Etazonia, dia afaka mihantona ny fanatanterahana izany raha toa ka misy mpitsara misakana izany didimpanjakana izany noho ny tsy fanajana ny lalàna velona misy...
Eto Madagasikara, dia nivoaka tamin’ny omaly ny hanaovana ny andro zoma ho fisalorana ny fitafy Malagasy.
Fanontaniana : aiza no misy lalàna velona mitondra ny famaritana ny antsoina hoe "fitafy sy fitafiana Malagasy ?
Fahiny, dia akora vokarina eto antoerana no tenomina ho lamba fitafy, ary ny lamba fitafy dia misy ny voatokana sy nosokajiana ho sahaza sy tandrify ny lahy sy ny vavy.
Misy ny taovolo, misy ny fitafy manolotrandro, misy ny fitafy amin’ny fotoan dehibe vory lanonana, ary mivoatra ihany koa araky ny vanimpotoana iainana, teo ny haitao nivoatra noho ny fanenomana, teo ny fivoarana vokatry ny fifanakalozana ara-barotra tamin’ny vahiny, fa teo koa, raha ny teto Ankibon’Imerina ohatra, dia ny mpanjaka no nisalotra fitafy vahiny sy nanao fomba vahiny (fisakafoana sy fomba fahandroana ny sakafo ohatra), ary tetika sy paikady takian’ny fijery politika moa izany matetika...
Azo singanina ohatra ny sary hoso-doko maneho ny fitafiana nisaloran’ny mpanjaka Ilaidama, izay sanganasan’i Copalle, ary maneho ny mpanjaka izay misalotra fitafy « anglisy », na koa ny mpanjaka Ramavo izay misalotra fitafy nanandanja teo amin’ny mpanjakavavy anglisy Victoria.
Ity fitafy anglisy notinafin’Ilaidama ity no nalain’i Calife Rainilaingarivony tahaka ary nataony fitafy mirenty vory vahoaka rehefa manabado ny Malagasy izy, ary tsaroana fa nanomboka nisalotra izany dika sy tahaka izany i Rainilaingarivony fony izy nidina avy eny Anatirova Antananarivo ny taona 2010, ary nanambarany fa hivadika ny pejy eo amin’ny tantarampirenena noho ny lalampanorenana vaovao ho an’ny Repobilika fahefatra, i ramatoa vadiny moa teo ankilany, nisalotra jaky sy nilanja elo mena...
Dia ankehitriny, io indray ny fitondrana fanovozana fa sahy nanao didimpanjakana mihintsy mba hanandratra fitafy Malagasy hono, nefa ilay fitafy voiziny isanandro vory vahoaka dia fitafy anglisy fa tsy fitafy tena Malagasy akory... Mbola misy mpanolotsaina ihany ve ao andapa ao e ?
Farany, hoy ilay Filohan’ny Antenimierampirenena indray andro izay : ny karana dia Malagasy, ny vazaha dia Malagasy ihany koa...
Mbola vory saina sy tomady ihany ve sa ahoana e ?
Fa ny vehivavy teo amin’ny fitafy Malagasy fahiny, taonjato faha 19 sy faha 20,dia tsy mitafy pataloha izany...
Ny merindahy toa ny Ombalahibemaso dia nisalotra lamba manolo-batana...