Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 13 mai 2026
Antananarivo | 10h28
 

Répondre à un commentaire

13 mai à 10:26 | Vohitra (#7654)

Misy ny toerana voatokana hifamoivoizana ho an’ny olombelona sy ho an’ny fiarakodia.

Lamina sy rindra ary fiheverana omban’ny lalantsaina mikatsaka filaminana sy fivoizana ny tsara sy ny mahasoa izany hevitra izany.

TSY hiandrasana sy hapetraka amin’ny fikaonandoham-pirenena akory izany fanapahankevitra izany fa tena fandaminana sy fiheverana voajanahary sy adidy ary fitsinjovana ny fiarahana miaina anaty filaminana sahaza ny olombelona vory saina sy valahara.

Raha tena tompomarika tanteraka sy tomponandraikitra "feno" ary manana fahasahiana sy fahavononana dia tokony tsy hanana fisalasalana sy fangovitana handray fanapahankevitra sy hisalotra adidy : apetraho sy tanteraho ny fandaminana mikatsaka ny mahasoa.

Avereno ho zo ho an’ny mpandeha antongotra ny sisindalana voatokana, atokano ho an’ny mpitondra fiarakodia ny arabe sy ny làlana.

Sikino ny herimpo, fehezo ambalahana ny fahasahiana, lolohavy ny adidy, raiso ny andraikitra.

Aza miandry ela na maka fotoana Andriamatoa PDS fa avy hatrany dia tanteraho izay mahasoa ny vahoaka sy ny ambanilanitra.

Mahereza ary aza mihaotra !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.