Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 avril 2026
Antananarivo | 00h09
 

Répondre à un commentaire

7 avril à 10:06 | Vohitra (#7654)

Iza moa izany no tena tompomarika tanteraka raha tsy misy manjary ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka ankehitriny ?

Ekena ary tsy hifandirana MIHINTSY fa namotika sy nandroba ary niremby ny fitondrana nentin’i Rajoelina sy Ntsay.

Fa hitondra ny fanorenana ifotony mba tsy hiverenan’izany tranga izany intsony no tena tokony andraikitra himasoan’ity fitondrana tetezamita misolo toerana ity.

Tsy izany nefa no ataony anton-draharaha ankehitriny, fa ny manao fampielezankevitra indray no imasoany TSY ankiato.

Ary mbola tsy mitsahatra ihany koa ny fandrobana ny harenam-pirenena ankehitriny.

Etsy andaniny, TSY misy MIHINTSY ady atao amin’ny tsy maty manota, na io mpiasam-panjakana na io mpanao politika nisahana raharaham-bahoaka.

Raha niteny ve ity kolonely ity tamin’ny 14 octobre 2025 fa hilatsaka kandida hofidiana, dia nanaiky ve ny vahoakan’i Zanahary fa izy no omena andraikitra hitantana io tetezamita io ?

Mazava ho azy fa TSIA no valiny.

Eo no mampikatso ny raharaham-bahoaka ankehitriny. Lasa tia voninahitra sy tia fahefana ny maro amin’ireo mpitondra, ary misy MIHINTSY indray no lasa mpanankarena tampoka !

Aoka izay ity fivezivezena tsy misy farany ity e ! Ny fanorenana ifotony hifotorana !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.