Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Tsy niova ny fijerin’ny tanora fa nafenin’azy ireo ny tokony ho jereny.
Raha nisy ny fanonganam-panjakana, izay no zava-nisy saingy nahitana endrika ny maha-malagasy ve ny novoizin’ireo nanao izany ?
Halatra, lainga, fanodikodinana, famonoana, fanagadrana sy ny sisa : izay no endrika nasehon’ireo nanongam-panjakana.
Ireo zava-nisy ireo no niankinan’ny fijerin’ireo tanora, inona no mahagana ny amin’izany ?
Raha tiana hiverina ny maha-malagasy sy ny nentindrazana amam-panao ary ny soa toavina (jereo i Japana, RSA, Rosia, Sina, Vietnam, Malezia, Indonezia sns ...).
Miverina amin’ny fomban-drazany sy ny soa-toavin’ireo razany avokoa ireo firenena ireo na dia eo aza ny antsoina hoe « moderna » miseho amin’ny fiainany.
Anjaran’izay mihevitra ny hitondra an’i Madagasikara no mifantoka amin’izany : ny famerenana ireo soa toavina ara-olom-belona, ara-natiora sy voa-janahary, ara-piarahamonina fa tsy ny lingilingitra sy ny fisehosehoana tsy voafehy no mandany fotoana sy vola.
Ny mifanohitra amin’izany dia tsy hitondra fandrosoana velively ho an’ity tanin’ny Razantsika ity.
Mahantra mila-vonjy ny malagasy sy i Madagasikara.