Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Sanatria tsy mampitovy ny lakana aman-jahatra sanatria, aina lavo nisaraka amin’ny nofo sy ny velona no resahana, saropady ary ilaina harovana toy ny anakandriamaso ny aina, izany rahateo no fomba sy finoana tena Malagasy, fa ny zavamisy tsapa dia izao :
« Misangy ny aina sy tsy manandratra ny maha-sarobidy ny aina ireo mpizaka fahefana ».
Ny taona 2020, naripaka toa sanatria natao vono moka ireo voafonja tao Farafangana, 23 no lavo, tsy hita sy tsy nambara ireo tomponandraikitra tamin’ny tranga namoizana aina...
Firifiry ireo lavo tamin’ny fitanterana tsy zarizary sy tsy lavorary, toy ny « botry », ny « kanoto », raha tsy hiteny afatsy ny nanjo ny tany Belo Tsiribihina sy Soanierana Ivongo, tsy hita sy tsy nambara ny andraikitra noraisin’ny mpizaka fahefana... ny lavo dia lavo eny ihany foana...
Ankehitriny, miseho matetika indray ny lavo tamin’ny fihinana sakafo, toa ny fitiavana hiaro tena no toa maha maika fa tsy ny fandraisana fepetra hisorohana ny tranga hafa vaovao mety hitranga na koa ny fitsirihina ny antony mazava nahatonga ny voina, tsy nisy fanapahankevitra mazava hiarovana ny mpanjifa...
Aina nandalo, Malagasy lavo, fiainam-piarahamonina lasa miaina anaty ahiahy sy savorovoro ary savoritaka...
Sanatria ve mbola mifono sy mifangaro fihezahana indray koa hilalao saimbahoaka sy hanodinana fijery indray koa ?
Mbola ao anatin’ny serasera mahazatra amin’ny fivoizana lainga sy soloky ary fitaka toa ny efa mahazatra ny mpizaka fahefana ihany foana ve ?
Fahefana efa norombahana tamin’ny rà nandriaka ve moa mbola hanisy vidiny ny aina ?
Fahefana efa zatra miremby, mamitaka, manao ankeriny sy mivoy lainga ve mbola hanisy vidiny ny aina Malagasy ?
Ny fakana ankeriny ny tanimbary an’ny fianakaviana Malagasy izay foto-pivelomana, nalainy ankitsirano tsy misy tambiny, fa angaha moa tsy efa miendrika famonoana izany ?
Lavo ny Malagasy, nandao ny aina, mandalo ny aina, saropady sy sarobidy ny aina, finoana sy fitaizana ho anay Malagasy izany, tsy natao ho an’ny tompon’ny fahefana mizaka ny 8 cm izany...