Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Répondre à un commentaire

24 mai à 10:45 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Lalatiana,

Tonga ao antsaina avy hatrany rehefa namarana ny fandinihina ny lahatsoratrao ny teny nambaran’ny Amiral fahiny hoe :« tsy misy maharesy ny fanjakana izany raha eto Madagasikara rehefa ny fanjakana no vonona ny hangala-bato ».

Ahoana tokoa moa no hifaninanana amin’ny mpiasampanjakana, ny fitaovampanjakana sy ny volampanjakana ?

Ary aza adino mihintsy fa mbola betsaka eto Madagasikara ny toerana ambanivohitra mbola tena matahotra ny fanjakana sy ny herin’ny fahefampanjakana ny mponina ao aminy !

Mbola aza adino ihany koa, fa eto Madagasikara anie ka mbola natao ho fananampanjakana ny lisipifidianana e ! Ny fanjakana irery no mitantana sy misahana ary mandamina izany, ary mampiseho izany lisipifidianana izany amin’izay fotoana heveriny fa mety aminy.

Eto Madagasikara no misy an’izany hoe kandida lany amin’ny voka-pifidianana 75 % nefa tsy lany, hita izany tany Vatomandry tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanana farany teo...

Rafitra mipetraka ny CENI fa ny tena mbola misahana ny fifidianana amin’ny fomba ankolaka anie ka mbola ny minisiteran’ny Atitany ihany foana e !

Fehiny, raha mbola mifangaro ny fanjakana (État) sy ny mpitondra (régime au pouvoir) dia mbola tena sarotra ny handresy ny mpitondra mampiasa ny fahefampanjakana rehefa fifidianana.

Matoa resy ny mpitondra, dia ny mpiasampanjakana izay no nivadika taminy.

Mankasitraka anao.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}