Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 21h31
 

Teny zato, kabary arivo

WC lafo vidy

mardi 6 novembre 2007 | Naivo kely |  962 visites 

Raha nitokana ny trano fivoahana sy fidiovana eto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina eto an-tanàna, dia mananika ny 20 tapitrisa Ariary no nenti-manana tamin’izany. Maromaro anefa ny trano fivoahana hita eto, ka samia manao kajy an-kandrina ny vola mivoaka hanaovana io fotsiny. WC tsy ngeza na manao ahoana loatra anefa no vita kanefa dia io ny tarehi-marika nivoaka. Eo no hisintonana ny sain’ny rehetra, trano fanariana maloto sy fidiovana aza izany no vola lany, maika fa trano hitoerana ? Firy amin’ny Malagasy no ahavita trano mendrika azo hiainana ara-dalàna intsony amin’izao fotoana izao, raha ny karama isam-bolana eo an-tanana no jerena ? Ho azo antoka fa io WC lafo vidy io mbola ho tsara noho ny trano haorin’ny mpiasam-panjakana raha tsy misy fiheverana haingana ity karama ity. Aoka tsy ho gaga isika raha maro ny trano tsizarizary miorina amin’ny faritra maro, satria izay ahitana hisitrihan’ny mpianakavy sisa atao.