Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 22h21
 

Teny zato, kabary arivo

Voatapim-bava ny Ben’ny tanàna

samedi 23 juin 2007 | Naivo kely |  139 visites 

Fanambarana lehibe no entin’ny filoham-pirenena hanamarika ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona ho avy izao, ka samy miandry io avokoa ny maro, satria mety hiainga amin’io indray ny kajikajy isan-karazany hanomezana baiko ny ambanilanitra hitondrana ny tany sy ny fanjakana.

Ny mahalasa saina dia ny maheno ny fitarainana ataon’ny Ben’ny tanàna maro izay nanomana izany fetim-pirenena izany, ka hanao kabary ankalamanjana ho mariky ny fety ao amin’ny faritra iadidiany. Mandeha anefa ny baiko avy any ambony « hono », fa tsy misy Ben’ny tanàna afaka mikabary amin’io vanim-potoana io. Inona no antony ? Mety hifanipaka amin’ny kabarin’ny mpitondra fanjakana any an-tampony ve sa maro amin’ireto Ben’ny tanàna ho lany andro ireto no ahiana hiteniteny foana ?

Raha izay no marina dia voatapim-bava koa izany ny Ben’ny tanàna, ka iza sisa no antenaina hitondra ny feon’ny vahoaka ?