Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 22h21
 

Malagasy

Mpanolontsaim-paritra

Tsy nahataitra ny maro

mercredi 6 février 2008 | Naivo kely |  297 visites 

Nifarana omaly tamin’ny 5 ora hariva ny fametrahana ireo antotan-taratasy filatsahan-kofidiana izay ho mpanolontsaim-paritra eto Madagasikara. Raha ny teto andrenivohitra manokana, dia tsy nisy afa-tsy ny kandida TIM no nanatitra izany tamin’ny ora farany. Nisy ihany koa ny kandida manalasala iray izay nokilasian’ny maro ho tsy matotra satria na ny biletany aza tsy nisy fony ity vehivahy ity nilatsaka ho ben’ny tanàna teto andrenivohitra farany teo. Toerana dimy no hiadiana raha ny eto Antananarivo renivohitra. Ho an’ny faritra Avaradrano dia seza roa ary ny TIM sy ny fikambanana « Tanora Avaradrano matoky mandray andraikitra » no hifaninana eny. Ho an’ny faritra Atsimondrano kosa dia eo ny TIM, ny AFABE, ny ALDR, ary ny « Tanora vonona Atsimondrano ». Hita ho tsy nahasarika ny antoko politika raha ity fifidianana indray mandeha ity no asian-teny, satria saika ireo fikambanana samy hafa no sahy hisedra ny antokon’ny fitondrana.