Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 22h21
 

Teny zato, kabary arivo

Nilaozan-tsakaiza

jeudi 7 juin 2007 | Naivo kely |  188 visites 

Ny aina no matezaha fa samy ho tsarain’ny tantara eto isika rehetra. Andro sisa no hisaina dia ho maro ireo hanao fanambarana fa hivadika amin’ny antoko nisy azy teo aloha ny rehetra. Tsy asiana resabe io, fa ao ny olana matoa mandao ny akany ny vorona. Ny eo amin’ny fitondrana hivadika ho any amin’ny mpanohitra, ary ny teo ambany elatry ny fitondrana hanamafy orina ny mpanohitra. Izao tokoa no hilazana hoe mpifankatia tsy mifamarafara, ady no hiafarany, ka hiseho daholo indray ny lamba maloto nafenina rehetra. Inona no herin’ny antoko nilaozan-tsakaiza aorian’io ? Sa ny nandao no tokony hametrahana io fanontaniana io ? Dia ho hita eo fa hiaraka hanisa ireo nivadika isika afaka andro vitsy.