Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 16h14
 

Malagasy

Mahantra be famindram-po

Nanampy an’ny China ara-bola i Madagasikara

mercredi 21 mai 2008 | Penjy R. |  733 visites 

Voikava-mahatratra tokoa, ary mariky ny fifankatiavan’ny China sy i Madagasikara no nanampiana ity firenena iray ity. Vokatry ny horohoron-tany niseho andro vitsy tany amin’io firenena isan’ny matanjaka io ka namoizana ain’olona maro, dia nanolotra vola mitentina
1 tapitrisa dolara i Madagasikara. Ny ministry ny raharaham-bahiny Malagasy, Ranjeva Marcel, no nanolotra izany ny masoivoho Sinoa miasa sy monina eto amintsika. Firenena azo hambara fa mifanampy ny roa tonta ka izay no tsy hifanadinoana tahaka izao.

Mahantra be famindram-po isika, satria na dia hambara ho firenena andalam-pandrosoana aza i Madagasikara, dia tsy manadino ny firenena matanjaka raha tratrin’ny voina toy izao.