Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 3 juillet 2025
Antananarivo | 18h21
 

Malagasy

Ramakavelo sy ny fanehoan-keviny

Miray feo amin’i Herizo Razafimahaleo

vendredi 6 juin 2008 | Naivo kely |  854 visites 
  • mail
  • linkedin

Vonjeo ny vahoaka, ary aoka izay ny fandaniana be loatra. Io indray ny fanehoan-kevitra nataon’ny Jeneraly Ramakavelo.

Raha misy ny vola atobaka any amin’ny fanitarana ny seranantsambo ao Toamasina sy ny etsy Ivato, nahoana raha ny resaka sosialy no hampiasana fandaniana ara-bola satria io no miantoka ny fiainan’ny mponina andavan’andro ? Miray feo amin’ingahy Herizo Razafimahaleo ihany koa ingahy Ramakavelo ny tokony hanafoanana ny fanaovana ilay fivoriana ho atao eto ny taona 2009 iny.

Filoham-pirenena no raisina, nefa hatraiza ny fahavitan’ny foto-drafitrasa handraisana azy ireo ? Tsy mahamenatra antsika ny manafoana io, mba tsy hitondra henatra ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.