Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 22h21
 

Malagasy

Holafitry ny mpanao gazety

Hilatsaka ny AJRP

jeudi 3 janvier 2008 | Naivo kely |  339 visites 

Miandry izay daty hanaovana ny fifidianana ny mpanao gazety rehetra, izay eo ampamolavolana izany ireo komity manokana hisahana ity asa ity. Efa misy ireo anarana heverina hilatsaka ho amin’ny toeran’izany filohan’ny holafitra izany, dia eo ny filoha amperin’asa Ruffin Rakotomaharo, ingahy James Ramaroson, ary Soava Andriamarotafika filohan’ny AJRP. Ireo aloha hatreto no be mpilaza saingy miankina amin’ny faharisihan’ny tsirairay ihany io. Ny mpikambana maro ao anatin’ny AJRP na ny fikambanan’ny mpanao gazety amin’ny onjam-peo tsy miankina eto Madagasikara, dia vonona ny hanohana hatramin’ny farany an’i Soava, nefa ho hita eo ihany ny momba io, satria hanao ny fivoriambe tsy ho ela izany AJRP izany.