Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 21h31
 

Teny zato, kabary arivo

Fay ny mpanohitra

vendredi 19 octobre 2007 | Naivo kely |  902 visites 

Tsy hay intsony na lany stratejia na lany vola, na ihany koa mahatsapa fa naloam-bahoaka ny mpanohitra, fa dia nilaza ny fikambanan’izy ireo izay mpivory matetika etsy amin’ny Hotely Soimanga Manakambahiny, fa tsy handray anjara intsony amin’ny fifidiana izay ho atao eto. Didy jadona, fanamparam-pahefana miampy hala-bato no voalaza fa aton’io. Resy tsy miady tanteraka, izay no fomba entin’ny mpanohitra manao ny politikany, satria raha nanao toy izany avokoa ny olona tsy teo amin’ny fitondrana tsy nahazo ny sezany i Ravalomanana, ary tsy natanjaka toy izao ity fitondrana sy ny ekipany ity. Raha fay ny mpanohitra, iza intsony no hanao ny politika hafa ivelan’ny fitondrana eto ? Soa aloha fa mbola misy antoko mpanohitra hafa tsy hanaiky lembenana ary tsy miray saina amin’izay voalazany namany eto, ka hamerina sy hampiakatra avo ny fanaovana politika eto.