Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 19h19
 

Malagasy

Antoko AKFM

Fandraisana andraikitra ny tsy mifidy

mercredi 6 février 2008 | Penjy R. |  297 visites 

« Tsy hakanosana ny tsy filatsahana ho fidiana, fa isan’ny fandraisana andraikitra ihany koa ny tsy miditra amin’ny sehatra tahaka izany. Kizo ny fanatanterahina ny fifidianana, ka tsy hiroboka amin’ny tetika maloton’ny fitondrana izahay ». Isan’ny nambaran’ny antoko AKFM ny tokony hanitsiana ny lalam-pifidianana. Io no fototry ny olana, satria nisy ny fahavoazana nihatra tamin’ny mpikambana tao amin’izany antoko izany raha nilatsaka ho fidiana nandritra ireny fifidianana nifanesy farany teo ireny izy ireo. Tany amin’ny faritra moa no nisian’izany, ary voalaza fa mpitandro ny filaminana no nampiasa io herisetra io. « Ny maika izao dia ny famonjena ny vahoaka izay tratran’ny fahatrana izay efa mila hamono azy. Io no tena fampandrosoana maika. Ny eo anivon’ny antoko mpanohitra, dia io hiarahana mahita io, ny tsy fitovian-kevitra matetim-pitranga ao anatin’izany antoko izany, kanefa raha misy milatsaka dia ho hita eo ny mety hifanohanana ».