Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 22h21
 

Teny zato, kabary arivo

Disadisa tsy ahombiazana

mardi 8 avril 2008 | Naivo kely |  654 visites 

Alamino fa tsy ahitana fahombiazana. Tsinjon’ny maro fa misy sehatra tsy milamina eto amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena. Dia ireny hita ireny ny fisamborana manamboninahitra maro. Nambara fa mikotrika fanonganam-panjakana ry zalahy ireto.

Ny ao anatin’ny antoko matanjaka, dia io iarahana mahita io ny afitsoky ny sasany, fa toa mivadibadika tahaka ny lela may. Rehefa tsy mahazo ny fankatoavan’ny birao politika dia mandeha milatsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina raha resaka fifidianana no asian-dresaka.

Mitaraina etsy sy eroa ny minisitra fa tsy mipetraka amin’ny andraikitra sahaniny intsony, ka toa ny hafa no mitsabaka amin’ny asa tokony hataony. Raisina ohatra amin’io ingahy minisitry ny Fampianarana Radavidson Benjamin. Raha vao nanova Governemanta farany teo, dia efa tsinjo io, satria taiza no nisy ministra roa nampifamadihana fotsiny ny toerany ?

Disadisa tsy ahombiazana no miseho. Ho gaga ve isika raha mitarazoka hatrany ny fampandrosoana heverina fa maika atao eto ?